Taratasy Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

Toko faha-3

1 Ary izaho, ry rahalahy, dia tsy nahazo niteny taminareo toy ny amin'ny olona ara-panahy, fa toy ny amin'ny olona ara-batana sy mbola zaza ao amin'ny Kristy.

2 Ronono no nomeko hosotroinareo, fa tsy ventin-kanina mahery, satria tsy mbola nahazaka izany hianareo, sady tsy mbola mahazaka hatr'ankehitriny aza, noho hianareo mbola ara-batana. 3 Fa fialonana amam-pifandirana no hita ao aminareo, ka moa tsy ara-batana sy araka ny fanaon'olombelona va izany? 4 Raha ny iray hanao hoe: Izaho an'i Paoly, ny iray kosa hanao hoe: Izaho an'i Apolo: moa tsy olombelona ihany va hianareo amin'izany? Fa inona àry Apolo, ary inona koa Paoly?

5 Mpandraharaha nahatonga anareo ho mpino fotsiny ireo, samy araka izay nomen'ny Tompo azy avy. 6 Izaho moa namboly, Apolo kosa nanondraka; fa Andriamanitra ihany nampaniry. 7 Samy tsinontsinona na izay mamboly na izay manondraka; fa Andriamanitra izay mampaniry ihany no izy. 8 Sahala ihany ny mamboly sy ny manondraka; ary samy hovalian'Andriamanitra araka ny fisasarany avy. 9 Fa izahay moa mpiara-miasa amin'Andriamanitra; ary hianareo kosa sahan'Andriamanitra sy trano arafiny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0544